Don't wanna be here? Send us removal request.
Text
Efa ho telo taona izay no nampiasako linux tamin’ny ordinatera fampiasako isanandro. Tsy misy windows intsony ao anatiny fa linux mint fotsiny. Tamin’ny voalohany aloha somary sahirana ihany satria anisan’ny mpakafy Windows ny tena ka tsy nahazatra mihitsy ireo fitaovana natolotr’i Linux. Nisy rahateo izay tsy nahitana solony nahafa-po, indrindra ny fanaovana mozika sy video.
Fa rehefa taty aoriana dia nanomboka zatra ihany. Nihafy no marimarina kokoa. Nezahina natao nahavita izay fitaovana atolotry ny Linux, na farafaharatsiny mitady izay mahavita tsara indrindra na dia handoavana vola kely aza. Na izany aza anefa, dia mbola betsaka ireo zavatra vitako tamin’ny nampiasa Windows tsy vitako amin’ny mampiasa Linux intsony… fa nampiononona ny saina hoe zavatra tsy dia tena manan-danja be akory ireny.
Talohan’ny nampiasana Linux ranoray tahaka izao dia efa nisy Linux kely ihany tato anatin’ny ordinatera nampiasaiko. Ubuntu sy Debian no nampiasaiko tamin’izany. Rehefa nisy zavatra tsy vitan’ny Linux dia tonga dia avadika Windows kely…
Fa efa ho telo taona izao dia Linux Mint manontolo no ampiasaiko… ary afa-po aho… na dia tsy tanteraka aza.
Fa ny tena nahafaly ahy androany, nahatonga ahy nanao ity lahatsoratra kely ity, dia tsy ampy ora firy akory dia nahavita nanao upgrade goavana tamin’ny Linux Mint aho. Izany hoe niala avy amin’ny version 18 mandeha amin’ny version 19. Angamba mitovitovy amin’ny hoe Windows 7 miditra Windows 10. Tsy mila DVD na CD, fa commandes vitsivitsy sy internet fotsiny.
Ny lahatsoratra fototra narahiko dia ilay hoe How to Upgrade to Linux Mint 19, nila fotoana kely fotsiny (navelako nandritra ny alina teto) dia vita.
Tamin’ny ni-redemarrer azy fotsiny no nisy olana kely satria saika tsy tafiditra, niverimberina foana teo amin’ilay fampidirana mot de passe na dia efa marina tsara ara ny mot de passe nampidirina. Fa nony nitady tamin’ny internet dia hita ny vahaolana. Ovaina ny permission-n’ny fichier .Xauthority
Dia efa ilay Linux Mint 19 ity ampiasaiko ity amin’izao.
0 notes
Text
Que des idées f(x)

Je comprends maintenant pourquoi certaines personnes laissent tout pour leurs idéaux. Ils se concentrent à un but final et évitent tout autre chose qui pourrait les empêcher d’y arriver.
Parce que ces jours-ci, j’ai beaucoup d’idées, beaucoup de réalisations en tête. Mais c’est impossible de les accomplir. J’ai juste pas assez de temps. Il me faut aussi occuper de beaucoup d’autres choses, ma famille entre autres. Je ne peux donc pas prendre toute ma concentration pour ces réalisations sauf si elles arrivent à me remplacer dans mes devoirs économiques...
Si à travers ce que je fais, j’arrivais à compenser mon équivalent de salaire, je consacrerais mon temps de travail entier à le faire. C’est mathématique.
Mais en attendant, je ne peux que lui donner des miettes de temps, ceux dont je n’ai pas besoin, pas importants.
0 notes
Text
Kapsily

Mandritra izao fihibohana izao, avy namita ilay tavoangin-dabiera aho dia nandefa saina nijery ity kapisily tavela teo ambony latabatra. Itony kapisily itony tokoa mantsy sarobidy mihitsy tamin’ny andronay fahiny. Indraindray efa harafesina maharitra mbola miasa ihany, vao mainka moa fa jôjôpila be.
Misy ireo mahavatra mikiky ilay loko na marika ka mangirana tsara ery. Anisan’ny nanahirana ahy rehefa mikiky azy itony ilay tsy maintsy misikotra ny ambin-doko amin’ny sisiny, satria raha tsy izany dia mbola hita hoe tsy voakiky tsara. Ary matetika ny kapisily manamanan-danja dia miaraka amin’ny “bouchon”... izay no iantsoanay an’ilay saron-tavoahangy anakiray somary plastika malefaka izay mivady tsara amin’ny kapisily. Ny bouchon matetika dia sarotra hita satria matetika izy saron-tavoahangina rôma bota na fisaka.
Ny teny nampiasaina tokoa tamin’izany dia hoe “hita”, satria ny kapisily dia “tadiavina” matetika. Vitsy taminay ny misotro “fanta” na “caprice” (henoy hoe jus de fruits) andavan’andro ka tsy mora ny mahita kapisily. Fa matetika izy hita eny andalandalana eny.
Maromaro ny kilalao nampiasàna kapisily fa ireto no mba tadidiko, asa ianareo raha mahatadidy hafa.
Ny korsa kapisily
Fifaninanana “hazakazaka” kapisily izy ity. Mamaritra lalana eo an-tokotany, indraindray mahitsy, mbetika mibilioka. Misy endrika somary atao mihakely ary misy ny mandalo lavaka. Somary ampandalovina dongona koa aza indraindray. Manidina kely ny kapisily rehefa mandalo eo. Misy départ (fiaingana) dia misy arrivée (fahatongavana). Miainga eo amin’ny fiaingana ny tsirairay mifandimby mitsipindy ny kapisiliny. Tsy azo atao ny mivoaka ny làlana, raha sendra tafavoaka (sort) dia averina eo amin’ny toerana niaingany ny kapisily. Raha ohatra moa tafavoaka ny kapisily nefa avy eo tafiditra anaty lalana indray (sort miditra) dia averina eo amin’ny toerana nivoahany làlana fotsiny. Dia raikitra ny fifaninanana ka izay tonga voalohany eny amin’ny arrivée no mandresy.
Matetika misy kapisily roa na telo no ampiasain’ny tsirairay satria misy ilaina rehefa làla-mahitsy, misy mahay mitsambikina, misy mavesabesatra (misy bouchon) misosa amin’ny goudron.
Fiteny mahazatra ny hoe “maka very ligne”, izany hoe azo akisaka miankavia na miankavanana ny kapisily, arakaraka ny làlana tiana haleha saingy tsy azo aroso.
Voahaingo tsara daholo ny kapisily, mova tsy ireny fiara voahaingo ireny.
Ny zoera kapisily
Zoera no iantsoana ny lalao baolina kitra amin’ny kapisily. Avy amin’ny hoe “joueurs” mazava ho azy. Tsy ny kapisily no tena fanaovana zoera fa vatofisaka hafa mavesatra kokoa toy ny biriky parpins, vakina “carreaux”, na koa vakina masontantely (hay moa avy amin’ny tafontrano amiante ireny). Rehefa tsy manana an’ireny vatofisaka ireny dia ny kapisily no atao zoera. Mila kapsily mavesabesatra ny zoera ka matetika misy bouchon izy na koa asiana tain-dabozia. Ny maharatsy ny tain-dabozia dia tsy hita intsony ny haingony izay solon’akanjo (maillots). Mila mitovy mantsy, ary matetika nalaina avy amin’ny lokon’akanjon’ny mpilalao malaza mandeha amin’ny télé. Tsy ivalamparako ny filalaovana zoera satria mbola be mpahay. Faritana ny kianja dia mifandimby mitsipindy ny kapisiliny mba handona ny baolina izay vita amin’ny plastika nodorana. Ny tanjona dia ny hampiditra ny baolina any amin’ny haraton’ny mpifanandrina. Harato izay voaaron’ny mpiandry tsatokazo vita amin’ny boatina sardine matetika.
Ny tsipy lavaka
Lalao iray fanangonana kapisily ny tsipy lavaka. Mitovitovy amin’ny kanety izy saingy kapisily no ampiasaina. Olona roa na maromaro no mifaninana, samy manana kapisily tsirairay. Amin’ny voalohany dia miady izay voalohany hanipy ao anaty lavaka. Ka ny fomba atao dia avy eo amin’ny lavaka no manipy ny kapisily eny amin’ny ligne. Izay akaiky ligne indrindra no voalohany. Mety hisy ny “même”, izany hoe mitovy dia miverina manipy indray. Ny “sofiny” koa, izany hoe tafavoaka ny faritry ny ligne dia mamerina manipy.
Rehefa voafaritra hoe iza no manipy voalohany dia raisiny daholo ny kapisily rehetra ka atsipiny tsirairay avy eny amin’ny ligne mankao anaty lavaka. Raha misy tafiditra avy hatrany ao anaty lavaka dia antsoina hoe an-kanina, tonga dia anazy iny. Ny kapisily sasany izay tsy mbola tafiditra kosa dia tsipindiany tsirairay mandeha ao anaty lavaka, ka izay lavitry ny lavaka no tsipindiany voalohany. Raha tafiditra ao anaty lavaka iny dia lasany koa, ary tsipindiana indray ny kapisily manaraka. Raha sendra tsy tafiditra ao anaty lavaka dia raisin’ilay mpilalao manaraka indray ny kapisily rehetra tsy mbola tafiditra anaty lavaka ka anjarany indray no manipy azy avy eny amin’ny ligne sy mampiditra azy anaty lavaka. Dia toa izany hatrany mandra-pahatapitry ny kapisily.
Rehefa tapitra dia miverina miady ligne indray, izany hoe manipy ny kapisily eny amin’ny ligne mitady izay voalohany.
Misy fotoana izany mety ho lany daholo mihitsy ny kapisily entinao, eo ilay gorona, dia mitady indray.
Ny tifitra kapisily
Lalao fanangonana kapisily koa ity iray ity. Ny tanjona dia mitifitra ny kapisilin’ny namana ka izay voatifitra dia lasanao.
Samy mametraka ny kapisiliny mifanalavitra ny mpilalao. Tsy atao lavitra loatra koa anefa satria ela be vao afaka manafika. Mifandimby mitsipindy ny kapisiliny manatona ny an’ny mpifanandrina izay tianao hofidina. Rehefa voadonan’ny kapisily tsipindinao ny kapisilin’ny namana dia lasanao iny kapisily iny. Raha maromaro ny mpilalao dia mitohy ny fitifirana mandrapahatapitry ny kapisily. Izay vao miverina milalao daholo indray.
Dia ireo lalao ireo no tsaroako nandritra ny fijerena ity kapisily tsy maintsy hariana ity. Mbola misy lalao kapisily hafa tsy voalazako ve?
0 notes
Text
Dév de Kiteny
J'ai donc commencé à développer ce petit jeu de lettre malgache. C'est ma première application jeu pour android, et j'espère que ce ne sera pas la dernière L'idée vient du fait que j'avais déjà ce type de jeu dans le chat Karajia (mitahia izy fa lasan-ko razana... ou pas).
Il y a des lettres proposées et on cherche le mot... en malgache. Toutes les lettres doivent être utilisées, et le mot à deviner est tiré du "Rakibolana Malagasy" (qu'on peut trouver sur rakibolana.org). Vous avez une minute pour trouver le mot, et le point que vous gagnez dépend de votre vitesse.
Le niveau se joue aux nombres de lettres à utiliser. Vous pouvez choisir entre 4 lettres, pour les mots plus faciles, jusqu'à 7 lettres, des mots difficiles mais pas impossibles.Les points que vous gagnez s'accumulent et si vous êtes connectés avec votre compte Google, et que vous avez internet, ils seront enregistrés en ligne pour les comparer avec ceux des autres joueurs.
Si vous ne trouvez pas le mot, vous pouvez voir la solution... avec la définition, bien sûr. Ces définitions sont toujours tirées du site rakibolana.org. Elles ne sont pas parfaites mais dans prochaines versions du jeu, vous aurez l'occasion de directement les corriger sur place.
Quoi d'autres? Essayez et faites-moi savoir vos expériences.
Le jeu est à télécharger sur Play Store:
https://play.google.com/store/apps/details?id=org.serasera.kiteny
Merci.
0 notes
Text
Developping Kiteny
Juste un long et chronologique post pour partager l’expérience de kiteny, une application de jeu en malgache que je suis entrain de développer. C’est dûr, dûr.
Ok maintenant je suis déjà à la fin du développement mais il y a des passages dûr qui nécessitaient des heures et même des jours.
Donc pour le moment, voici le resultat
youtube
14/04/2020 - Beta is out
Juste l’envie de publier quelque chose



0 notes
Text
Nahoana kosa no idina ny fiangonana?
Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ankamaroan’ny firenena rehetra miady amin’ny coronavirus ny fanidina fiangonana. Ka anisan’izany ny ao Madagasikara izay vao tratran’ity valanaretina ity tamin’ny 20 marsa teo.
Betsaka ihany no mahazo ny antony izay tsy inona fa fiarovana amin’ny fifampikasohana sy fitangoronana ary fivoriana izay antony tena mampifindra be indrindra ny tsimok’aretina.
Fa misy koa ireo izay mafy loha, mieritreritra ny tenany ho hany vontom-pinoana ka manome tsiny an’izany fanapahan-kevitra izany.
Ka ho anareo ireny indrindra ity fanazavana kely ity.
Tsy misy resaka hoe resy, matahotra ny ho faty, tsy mijoro amin’ny finoana velively ny fanakatonana fiangonana. Tsy ifandirana ny finoan’ny tsirairay satria mety misy tokoa ny tena manam-pinoana mahafindra tendrombohitra, ka na hisotro pozina sy hokakerin’ny bibilava aza dia tsy ho faty. Saingy ity valanaretina ity dia mifindra amin’ny piti-drora sy fifampikasohana. Ka ny olona manodidina anao, sy ireo ondry avorinao, izay mety tsy dia ampy finoana loatra toa anao dia mety hifamindra otrik’aretina. Izy ireo indrindra, izay sady marefo ara-panahy no mety marefo ara-batana (antitra, taizan’aretina) no tiana arovana.
Tsy vao voalohany izao no nisy ny fanakatonana fiangonana. Rehefa misy ny ady, misy ny tondra-drano, misy ny loza voa-janahary hafa, ka voatohitohina ny fiarovana ny aina dia mikatona ny fiangonana. Sa raha totory ny rano ny fiangonana dia mbola hilomano ho any am-piangonana ihany ianao satria mila miangona?
Koa samia tompon’andraikitra. Ianao izay manana andraikitra ao am-piangonana indrindra no tokony hiaro ny ondrinao sy hanampy azy ireo.
0 notes
Photo

Manindry aloka rehefa be akama anaty metro fa rehefa angatahako iray sy iray aty ivelany miforitra #mafy_be
0 notes
Photo

Ero bravo ieri quindi potrei esserlo domani... Bandy nilay aho omaly ka mety ho toa izany ihany rahampitso...
0 notes
Photo

Hoy ianao hoe "Tsy manana n'inon'inona aho", fa aminao ts'inonts'inona ny masoandro? Ny aina? Ny fitiavana? Tu dici "Non ho niente", ti sembra niente il sole? La vita? L'amore?
0 notes
Text
Et si je reprends
Je sais, j’ai tumblr depuis quelque temps déjà, juste pour réserver mon nom “heriniaina”. Mais si je reprends, ou plutot si je commence vraiment à ércire?
Ce sera peut-etre un blog en français comme j’ai déjà quelques blogs en malgache. Ah, entre temps, je vais modifier le titre en “Relecture”
0 notes
Photo

Nanjary lasa parfum ho an’ny birao ilay thé de fenouil…
0 notes
Text
Installation windows xp amin'ny clé USB
Sendra nisy netbook nisy xp lanaka dia soloina ny XP. Ny blem dia ISO XP professional no ato amiko fa na izany aza dia andramako ihany.
Mampiasa rufus aho amin'izao https://github.com/pbatard/rufus/
0 notes